<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>388</hymn_number>
<title>Tsy maintsy hateraka indray hianao FFPM388</title>
<lyrics>[V1]
 Tsy maintsy hateraka indray
 hianao
 Izay ta-handova
 Ny lanitra sy ny fiainam-
 baovao,
 Izay tsy miova ;
 Ny havan'ny Tompo ihany
 No tena hahazo izany.

[V2]
 Ny fo vatolampy esory izao,
 Fa tsy hovonjena ;
 Katsaho ny fo feno aina
 vaovao
 Fa io no ekena
 Horaisina any ambony,
 Ka tsy hitomany intsony.

[V3]
 Ny Tompo mitondra ny hery
 vaovao ;
 Fanahy sy afo,
 Izay mampiova ny fonao izao
 Ho tonga fo nofo ;
 Ny olona lasan-ko babo
 Ho afaka sady hiravo.

[V4]
 Ry Masina ô, ateraho indray
 Izay mitaraina,
 Velomy ny maty hifoha,
 handray
 Ilay tena aina ;
 Mba raiso, ry Ray be fitia,
 Ny zanaka adala mania !</lyrics>
<author>P. Nilsen-Lund</author>
</song>